Fikasana hanolana : Lehilahy lehibe iray voasambotry ny polisy

Tratra teo am-pikasana hanolana ankizivavy kely vao 8 taona monja tany Aranta Mahajanga afakomaly, ny lehilahy iray 52 taona. Tamin’ny 11 ora alina, saika aholany tao anaty bajaj izay noentiny io ankizivavy kely io. Nahita ny zava-nitranga ary nahatratra azy teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny ny polisy miasa ao Boeny, izay nanantanteraka asa fisafoana teny amin’ny manodidina.
Nanjavona tao amin’ny trano fonenany tany Tsararano ny alina io ankizikely io. Tonga nanao fitarainana teny amin’ny biraon’ny Polisy io alina io ihany moa ny renin’ilay zaza vantany vao tsy nahita ny zanany. Tsy fantatra izay olona nibata sy naka azy io tao an-trano, raha ny fitantaran’ny reniny tany amin’ny polisy. Taorian’izay, nanao ny fikarohana sy fanarahan-dia avy hatrany ny ekipan’ny polisy. Hita tao anaty bajaj iray ny zaza sy ilay rangahy lehibe. Efa samy tsy nisy akanjo izy roa tamin’io fotoana io. Nosamborina avy hatrany ilay tompon’antoka tamin’ny fikasana hanolana. Natolotra ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo izy. Mba hanohizana ny fanadihadiana. Efa naverina amin’ny reniny kosa ilay zaza taorian’ny fanadihadiana. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: