Lehilahy iray novonoina vehivavy : Hita faty tetsy Anosibe

Lehilahy iray manodidina ny 37 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, anelanelan’ny Lalamby Anosibe sy ny hopitaly HJRA, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Novonoin’ny vehivavy anankiroa izay mipetraka amin’ny trano baoritra eo amin’ny lalamby izy io sy ny vadiny, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. “Tonga tety an-toerana misy anay ireo vehivavy roa ireo, nitondra antsy ary nanomboka nandratra ahy”, hoy ny vadin’ny maty. Nasain’io vadiko io niala aho rehefa naratra ary zareo no niady teo. Tsy nahetsika sy tsy nety nisokatra intsony anefa ny vavan’ny vadiko rehefa tafaverina aho, hoy ny fitantarany. Nitarika azy tamin’ny tsy fahatsiarovan-tena izany tany amin’ny 8 ora alina tany ho any.
Niterahan’io lehilahy maty io ny iray tamin’ireo vehivavy namono azy ireo. Tsy nandray ny andraikiny tamin’ny zaza sy ny reniny izy ka antony nahatonga ny ady sy nihafara tamin’izao famonoana ho faty izao, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa tsy salama ny fahitan’ireo mpivarotra voninkazo eny an-toerana an’io lehilahy io, omaly maraina, talohan’ny nahafaty azy. Mpatory an-dalana moa ity raim-pianakaviana maty ity. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisin’ny CSP5 Mahamasina. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany eny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH.

Mino

Partager sur: