Mpilatsaka an’elonaina tra-doza : zandary roa sy tafika iray namoy ny ainy

Manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria miisa roa sy tafika iray niara-namoy ny ainy taorian’ny loza nahazo azy ireo nandritra ny filatsahana an’elonaina tao Arivonimamo, omaly. Manaraka fitsaboana ireo namany.

Kaomandà Zafidahy avy eo anivon’ny “Groupe­ment des forces spécialisées d’intervention (GFSI)”, ny lietnà Njakarababany Jeodard, avy eo anivon’ny “Centre de formation spécialisée” an’ny zandarimaria, ary lietnà Ramiandrisoa Ricassi, avy ao amin’ny EscaPara niara-maty vokatry ny loza tampoka nitranga tamin’ny fakana Brevet amin’ny filatsahana an’elonaina tao Ari­vonimamo, omaly. Niaraka nanao fanazaran-tena tamin’ny miaramila namany ireo tra-doza ireo. Nilatsaka voalohany teny ana habakabaka ny lietnà Jeodard. Namelatra avy hatrany ny elonaina izy. Nanaraka azy tao aoriana ireo namany. Ratsy ny toetr’andro, nandrivotra mafy. Nanano­sarotra ny fidinan’ireo nikasa hipetraka an-tanety. Vokany, ratsy fianjera ny ankama­roan’ireo miaramila ireo. Voa mafy ka niafara tamin’ny famoizana aina ny an’ilay kaomandà sy lietnà roa. Nivoaka avy amin’ny andiany faha-34 Acmil ilay kaomandà raha toa ka avy amin’ny andiany faha-41 Acmil ireo Lietnà roa.

Manaraka fitsaboana
Ankoatra ireo, nifamonjena nentina angindimby ma­nokana hihazo ny hopitaly CenHoSoa ireo tena voa mafy. Miisa valo ireo naratra ka nisy tamin’izy ireo mbola tsy nahatsiaro tena taorian’ny voina. Nisy tamin’ireo naratra tapa-tongotra. Naneho ny fiombonany alahelo amin’ny fianakavian’ny lasibatra ma­noloana izao tranga izao, ny minisitry ny Foloalindahy sy ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika. Marihina, filatsahana an’elonaina teo amin’ny “Pa­rachutage de 4eme saut” niarahana tamin’ny Tafika frantsay ity notontosain’ireo miaramila tra-doza tao Arivoni­mamo, omaly, ity.

Tsiferana R.

Partager sur: