Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny zandary tetsy Ankazotoho

Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa etsy Anosizato ny alarobia alina hifoha alakamisy teo, tetsy Ankazotoho. Jiolahy miisa efatra lavon’ny balan’ny zandary.

Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina eny Ankozotoho, kaominina Anosizato Andre­fana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, afakomaly ali­na. Poa-basy maro no henon’izy ireo nandritra ny fotoana vitsy nisian’ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny andian-jiolahy. Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary, ny alarobia tamin’ny 08 ora alina teo, fa misy andian’olona fito mivezizezy sy mampiahiahy teny amin’ny fokontany Ankazo­toho. Nidina teny ifotony ny ekipan’ny zandary miisa enina miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosizato, taorian’ny antso. Nandositra ireo olon-dratsy vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Raiki­tra, noho izany, ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nasaina nijanona izy ireo saingy nirifatra nandositra hatrany. Namoaka basy ireo olon-dratsy ary saika hitifitra ny zandary. Voatery nitifitra ny mpitandro filaminana taorian’izay. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary, nandritra izany, ireo jiolahy miisa efatra, raha toa ka tafaporitsaka kosa ny telo ambiny. Mbola tratra teny amin’ireto lavo ireto ny fitaovam-piadiana nampiasan’izy ireo, toy ny basy vita tanana miisa roa. Nahitana bala roa sy antsy lava iray ary “baton” iray ihany koa tany amin’izy ireo, rehefa nosavaina. Nikasa hanao fanafihana teny an-toerana ireto olon-dratsy ireto ka izao tra-tehaky ny zandary izao. Mbola karohina moa ireo olon-dratsy tafaporitsaka ireo.

Hita faty tao anaty trano bongo
Hita faty tao anaty trano bongo iray, any Mahasoa Tanambao, distrikan’i Toa­ma­sina II, afakomaly, ny jiolahy iray naratra mafy antsoina hoe : Philiastre. Nanakoron­tana tany Ambalakisoa izy io, ny marain’ny 22 aogositra lasa teo. Naratra mafy voatifitry ny polisy izy nefa tafaporitsaka ary tsy hita popoka ny nisy azy nanomboka teo. Niafina tao amin’ny trano bongo iray izy ary maty tao.

Mino

Partager sur: