Tsy fandriampahalemana : Tafaverina ireo omby roa lasan’ny dahalo

Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nalain’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilima­liniky (Toliara II), ny herinandro lasa teo. Nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny ma­nam-pahefana sy ny kaomity mpanara-maso antsoina hoe: “Voromahery” tany an-toerana. Tsiahivina, nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitam-piadiana ny tompon’omby iray tany Anonoky, ny 20 aogositra lasa teo. Niharan’ny fanafihana teny an-dalana niroaka omby sy sarety io olona io. Lasan’ireo dahalo, tamin’izany, ny omby roa ary navelan’izy ireo teo ny sarety. Nandositra avy hatrany ireo dahalo taorian’ny asa ratsy nataony. Nampandre ny kaomity Voromahery sy ny zandary avy hatrany ilay lasibatra taorian’ny tranga. Natao ny fanarahan-dia, hita tany Andranomainty, kaominina ambanivohitra Maromiandra, ny dian’omby. Nandositra avy hatrany ireo dahalo vantany vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Raikitra, noho izany, ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tafaporitsaka avokoa moa ireo dahalo ireo, raha toa ka navelan’izy ireo teo ireo omby halatra roa. Naverina tamin’ny tompony moa ireo biby fiompy ireo taorian’ny fanamarinana. « Hiaro ny mponina amin’ny asan-jiolahy sy ny loza mety hitranga ny antony nananganana ny kaomity Voromahery aty amin’ny faritra », hoy ny filohany Voromahery ao amin’ny kaominina Ankilimaliniky, Tendrisoa Berlin.

Njaka A.

Partager sur: