Fanolanana ankizy : Tovolahy 16 taona nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny alarobia lasa teo, ny tovolahy 16 taona, rehefa avy niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana. Nanolana ankizivavy kely vao enin-taona monja teny amin’ny fokontany Mo­rarano, kaominina Andohara­nofotsy, izy. Niharan’ny fanolanana niverimberina tany amin’ny fitombenany io ankizy io. Nanomboka ny 20 aogositra lasa teo no niaina tao ana­ty herisetra io zaza io. Nora­honan’ilay nahavanon-doza ho vonoina izy mandritra izany ka tsy sahy nilaza ny nanjo azy. Rehefa nitohy anefa ny herisetra ara-pananahana nahazo azy, nitaraina tamin’ireo ray aman-dreniny izy ny 24 aogositra lasa teo. Tonga nitoroka teny anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria An­doharanofotsy ireo ray aman-dreniny ny ampitson’io ihany. Natao ny fikarohana nefa tsy hita ny nahavanon-doza. Na­te­rin’ny ray aman-dreniny teny amin’ny biraon’ny zandary izy io ny ampitso.
Monina any Ankadilalam­potsy, kaominina Ankarao­bato, io tovolahy nahavanon-doza io. Mpandalo eny amin’ny tanànan’ny Morarano izy noho ny fisian’ny havany eny. Miara-milalao amin’ny ankizy eny an-toerana izy ary nipoitra ny hevi-dratsiny rehefa nahita io ankizivavy kely io. Tam­batambazany ary nentiny an­tsokosoko any amin’ny toerana miafina sy takona ilay ankizy avy eo. Any no hampiharany sy hanatanterahany ny asa ratsiny.

Mino

Partager sur: