4X4 nifandona tamin’ny moto: raim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny kaominina Soavinandriana Itasy, ny sabotsy tolakandro teo. Nipitika teny ambony moto nentiny izy.

Fandehanana mafy sy tsy fitandremana avy amin’ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana no nitarika ny lozam-pifamovoizana namoizana ain’olona tao Ambohi­bao, fokontany Tamoronala Fi­raisana, kaominina Soavi­nan­driana, distrikan’Itasy, ny sa­botsy teo. Nitaingina moto lehibe misy “vitesse” ny raim-pianakaviana iray 72 taona sy to­volahy 17 taona. Nifanena tam­poka tamin’ny fiara tsy ma­taho-dalana izay nifanoha-dalana taminy izy mianaka teo amin’ny lalam-pirenena faha-43, PK 26+100. Nidona mafy tamin’ny lohan’ilay fiara tsy mataho-dalana ny moto nentin’io lehilahy io ka niara-nipitika izy sy ilay tovolahy nentiny. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ary namoy ny ainy teo no ho eo ilay mpitondra moto. Nentina namonjy hopitaly kosa ilay tovolahy nentiny. Avy na­monjy fotoam-pivavahana tao Soavinandriana ka nikasa hitodi-doha any Ampary izy mianaka izao tra-doza izao. Poti­ka tanteraka ny moto sy ny lo­han’ny fiara.

Atao famotorana

Nidina ifotony nijery ny momba io tranga io ny ekipan’ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Notanan’ny polisy avy hatrany ilay mpamilin’ny fiara atao andrimaso sady atao fanadihadiana. Naiditra am-balam-pamonjana rahateo ny fiara nitera-doza. Manen­tana hatrany ny mampiasa lalana, indrindra ireo mpivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena, ny mpitandro filaminana fa tokony ho mailo hatrany izy ireny. “Na malalaka sy tsara ary migodana aza ny lalana, ilaina hatrany ny fitandremana”, hoy izy ireo. Tsiahivina, am-polony ireo matin’ny lozam-pifamovoizana tao anatin’ny iray volana.

Tsiferana R.

Partager sur: