Vaky ny trano iray tao amin’ny fokontany Analankininina Hopitaly Be, kaominina Toamasina, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 aogositra teo, saingy resin-tory teo am-baravarana niaraka tamin’ny findain’ny tompon-trano ilay jiolahy. Taitra tampoka ny rangahy tompon-trano, tokony ho tamin’ny misasakalina. Talanjona izy fa efa misokatra ny varavaram-be ary misy olona matory eo am-baravarana. Niverina naka finday hitsilovana an’ ilay olona izy, tsy teo amin’ny toerana nametrahana azy ny findainy sy ny an-dramatoa vadiny. Nampirehetina ny jiro. Tovolahy mbola tsara torimaso ary olona tsy fantatra io tafiditra tao an-tokantrano io. Nojerena ny vavahady ka efa nisokatra ihany koa. Voatery nampiantso ny fokonolona sy ny lehiben’ny fokontany ny lasibatra. Tsy taitra ihany ilay tovolahy tamin’ izany rehetra izany. Notairina amin’izay ary nosavaina ka hita tany aminy ilay finday roa izay efa novonoiny. Baraingo amin’ny rehetra, amin’ny ankapobeny, ity zava-nitranga ity. Tsy mponina avy ao amin’ny fokontany Analakininina izy, rehefa nataon’ny fokonolona fanadihadiana. Nilaza ho tsy mahafantatra ny antony nahatonga azy teo amin’ny toerana nahitana azy koa io lehilahy io. Etsy ankilany, misy ireo mihevitra fa mampiasa fanafody mamparesin’ny torimaso ireo izay mikasa hanao ratsy azy ny tompon-trano. Nalain’ny zandary io mpangalatra io, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, hisorohana ny fitsaram-bahoaka.
Jiolahy lavo
Jiolahy mpanao asa ratsy amin’ny fokontany Ambolomadinika, Ambalakisoa, Tanamborozano sy manodidina ihany koa no lavon’ny balan’ny polisy ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 aogositra, tao Ambolomandinika. Nifanehatra tamin’ny polisy mpanao fisafoana io jiolahy io. Ity farany izay teo am-panendahana olona hamonjy fodina ary efa nanambana antsy. Norahonany tamin’ny antsy be ireo polisy hisambotra azy. Vokany, maty voatifitra io mpanao ratsy io.
Sajo




