Fasan’ny karana sy Ampasapito: Lehilahy roa tratra teo am-panendahana

Misesisesy ny fisambo­rana olon-dratsy eto Antana­na­rivo tato ho ato. Lehilahy roa indray voasambotry ny polisy noho ny resaka fanendahana sy hala-boty, omaly. Tratran’ny polisy tetsy Ampasapito ny lehilahy iray tamin’izy ireo, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany. Vao avy nanendaka mpandeha an-tongotra izy io ary saika lasany tamin’izany ny poketra nisy vola sy antontan-taratasy maro. Niantso vonjy ny lasi­batra ka nanaitra ireo polisy mpandrindra ny fifamoivoi­zana teny amin’ny manodidina. Tsy niandry ela fa tonga haingana teny amin’ny toerana ni­trangan’ny asa ratsy izy ireo. Natomboka ny fikarohana ary tratra tsy lavitra teo ny lehilahy iray mpanendaka. Mbola hita teny aminy ireo entana vao avy nangalariny.
Ankoatra izay, mpanen­daka iray hafa koa tratran’ny polisy tetsy amin’ny Fasan’ny Karana, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Nanendaka findain’ ny olona iray, 26 taona, teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasan’ny Karana izy io. Nahatsikaritra izany ny polisy ka nisambotra azy avy hatrany. Naverina tamin’ny tompony avokoa moa ireo entana lasan’ ny olon-dratsy ireo taorian’ny fanamarinana. Nentina eny amin’ny biraon’ny kaomisaria avokoa izy roa lahy ireto miatrika fanadihadiana.

Mino

Partager sur: