Mpiara-miasa amin’ny dahalo : Lehilahy iray nahatrarana basy

Mitohy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy mampanofa basy sy miray tsikombakomba amin’ny dahalo. Voasam­botry ny zandary ny lehilahy iray monina any Antsingila, fokon­tany Tsiazompaniry, kaominina Ambanivohitra Sabotsy Nama­toana, ny herinandro lasa teo. Tratra izy io taorian’ny vela-pandrika nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy. Nahitana basy vita tanana, mirefy 25 sm, izay mifahana kalibra 12 vita amin’ny vy sy viraty iray tao an-tranony. Raha ny fantatra, mpampanofa basy sy miray tsikombakomba amin’ny dahalo io lehilahy io. Averin’ireo jiolahy aminy ny basy ka mahazo ny anjara volany izy rehefa vita ny ila’ny dahalo io fitaovam-piadiana io.
Tsiahivina fa efa voasambotry ny zandary ny volana jona lasa teo ny rahalahin’io lehilahy io. Nahatrarana basy vita tanana iray ihany koa tao an-tranon’izy io nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Efa naiditra vonjimaika am-ponja moa izy io, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana.

Mino

Partager sur: