Sprinter niala ankizy nilalao bisikileta: Namoy ny ainy ny mpamily ny fiara, ankizy roa naratra

Tsy tana ny ain’ilay mpamily fiara sprinter mpitatitra entana iray, niharan-doza tetsy Ankadikely, afakomaly. Ankizikely roa naratra ary mbola tsy mahatsiaro tena ny iray amin’izy ireo hatramin’ny omaly.

Niharan-doza tetsy amin’ ny lalana kaominaly vao an-dalam-panamboarana, mampitohy an’Anta­nandrano sy Ankadikely, ny fiara Sprinter fourgon iray, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora. Nisy ankizikely anankiroa, manodidina ny dimy sy fito taona, nilalao bisikileta teny amin’ny arabe. Tsy nanampo ny fisian’ny zaza nilalao ny mpamily. Niezaka niala ireo zaza ireo ny tenany ka namily ny fiara nentiny ho any anaty tatatra manamorona ny arabe ary nivadibadika. Mbola voafaokan’ny fiara ihany nefa ireo zaza ireo, nandritra izany, ka samy nivarina tany anaty tatatra avokoa.

Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ireo zaza roa. Safotra teo am-pamiliana kosa ny lehilahy 30 taona eo ho eo, mpamily ilay fiara mpitatitra entana, izay niharan-doza. Nentina haingana na­monjy hopitaly akaiky indrindra avokoa izy rehetra ireo. Saingy tsy tana teny an-dalana ny ain’ilay mpamily. Mbola tsy mahatsiaro tena ny iray amin’ ireo ankizy voadona. Efa na­findra eny amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha kosa ireo zaza ireo, amin’izao fo­toana izao.

Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely. Izy ireo rahateo ny miandraikitra ny raha­raha.
Nisavika fiara, ankizy lahy iray tsy nahatsiaro tena

Naratra mafy sy tsy naha­tsiaro tena koa ny ankizilahy kely nijapy kamio tetsy amin’ ny Jirama Soanierana, omaly atoandro. Niisa roa izy ireo no niara-nisavika io fiara io. Niala ny iray voalohany tamin’ireo ankizy ka nianjery tamin’ny arabe. Tafatsangana izy ary lasa nitsoaka avy hatrany. Tsy niandry ela fa nikasa ny hidina ihany koa ny iray faharoa, ary nianjera avy eny ambonin’ilay fiara be. Vokany, tsy nahatsiaro tena vokatry ny fianjerana nahazo azy moa io ankizy io. Nentina nihazo ny hôpitaly HJRA Ampefiloha avy hatrany ity farany mba hotsaboina.

Mino

Partager sur: