Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Tafody an-tanindrazana, 128 taona aty aoriana

128 taona aty ao­rian’ny nahafatesany, tafaverina soa aman-tsara eto Ma­dagasikara, omaly, ny kabeson’ny Am­panjaka Toera. Efa nihazo tsikelikely an’i Belo Tsiribi­hina izany taorian’ny lanonana teny amin’ny Fasan’ny maherifo, Fort Du­chesne.

Reharehan’ny Malagasy tsivakivolo. Nijanona ary nanome voninahitra ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany mpitari-tafika roa lahy, izay rehetra sendra ny fandalovany, omaly. Nanomboka tamin’ny fitsenana ny fahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidina izany ka hatrany amin’ny lalana rehetra nolalovana. Nanemitra ny arabe, nikopakopaka sy nanofahofa tanana ireo vahoaka mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fampodiana ny kabeso, izay marika tsy voakosoka amin’ny tantaran’i Madagasikara.
Rehefa avy namakivaky an’Antananarivo, nihazo ny Mausolée, izay toerana nanaovana ny lanonana ara-panjakana ny kabeso miisa telo. Tsy nisaraka tamin’izy ireo hatrany ny delegasionina naka izany tany Frantsa. Nisy ny lanonana nentina nanomezan-kasina sy fankasitrahana azy ireo, izay notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mitoetra ho fakan-tahaka amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitondrana firenena izy ireo.

Mamelombelona

«Tsaroantsika manokana amin’ity andro androany ity ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roa lahy niara-lavo taminy. Mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika ny fahatsiarovana ny fanoloran-tena nataon’izy ireo. Ny 06 novambra 2020, raha nitokana ny Rovan’i Mada­gasikara izay efa lasa lavenona fa natsangana indray, dia nilaza ampahibemaso taminareo aho fa tsy maintsy averina an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera ary tanteraka izany ankehitriny. Ny tantara tsy fanadino. Filazako matetika ny hoe, raha tiana hazava ny lalana hizorana dia mila fantarina ny tantara niaviana. Tantara tsy hay hadinoina ny fikirizana sy ezaka ary fitiavan-tanindrazana na­taon’ny Ampanjaka Toera», hoy ny ampahan’ny lahate­nin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly.
Nosafidiana manokana ny Mausolée eny Antanimora amin’ny maha Fasan’ny Ma­herifo azy, ary voasokajy ho anisan’ireo tia tanindrazana ka nahafoy ny ainy noho izany ny Ampanjaka Toera sy ireo miaramilany ary ireo rehetra niara-novonoin’ny frantsay tamin’izy ireo.

Lanonana ara-drazana

Nihazo ny lalam-pirenena fahafito, hamonjy ny faritra Menabe ny delegasionina nitondra ny kabeso, omaly. Nisy ny fiatoana ao Antsirabe, halina. Hihazo an’i Miandri­vazo, Mahabo, sampanan’i Morondava ary any Belo izy ireo, anio, mialoha ny hametrahana azy ireo any Ambiky.
Hisy ny lanonana ara-drazana, mifanaraka amin’ny fomba amam-panaon’ny Sa­kalava. Hetsika efa nifandovana nandritra ny fitondran’ireo ampanjaka talohan’i Toera, nolovain’ny taranany mandraka ankehitriny. Hotanterahina amin’ny fotoana efa voatondro mialoha izany. Manana ny hasiny manokana ihany koa ny toerana efa voaomana hametrahana ny kabeso telo.

Efa an-taona maro

Efa am-polony taona maromaro no efa nangatahin’ny taranaky ny Ampanjaka Toera ny hamerenana ny karandohany izay nozimbazimbaina. Tsiahivina fa ny taona 1897 no nentin’ireo miaramila frantsay nody ho remby an’ady izany. Naranty an-taonany maro tao amin’ny Musée de l’Homme ao Paris.
Nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy frantsay mahakasika izany. Izao vao nahitam-bokany sy tanteraka soa aman-tsara. Midika ho fandresen’ny diplaomasia Malagasy sy ny fahaizan’ny filohan’ny Repoblika, Ra­joelina Andry, mifandraharaha hatrany izany.

Nanatontosa : Zo ny Aina

Partager sur: