Fahafatesana mampiahiahy: Miaramila iray maty voatifitra tao anaty toby

Miaramila iray, avy namita iraka tamin’ny hetsika “Riri 2026” no maty voatifitra tao anaty toby, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny sandriny havia izy. Miaramila telo lahy nahitana porofo mampiahiahy. .

Nipoaka tampoka ny basy tao amin’ny toby miaramila « Bataillon Infanterie Ihosy», omaly ma­raina tamin’ny 3 ora sy sasany, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Hita faty tany amin’ny toeram-pivoahana ny miaramila iray, avy namita iraka tamin’ny hetsika manokana « opération Riri 2026 ». Nitoby tao Ihosy ny andian-tafika nisy azy, raha hamonjy fodiana, hihazo ny Renivohitra. Nandritra ny fotoana nijanonana tao an-toerana, tsy fantatra mazava ny zava-niseho. Nanahirana rahateo ny fakana vaovao, sy ny fanamarinana noho ny fihidian’ny loharanom-baovao.
Nilaza anefa ny loharanom-baovao fa eo ampamoriana ny miaramila na “rassemblement” ireo lehibeny no nirefotra ny basy. “Nihohoka tamin’ny tany avokoa ny rehetra. Avieo nisy ny savahao natao taorian’izay, ka nahita an’ilay miaramila efa maty”, hoy ny loharanom-baovao.
Nitsilany tamin’ny tany Itompokolahy, nahitana diam-bala telo ny vatany: ny iray teo amin’ny tratrany ny roa teo amin’ny sandriny, samy havia avokoa ireo. Niankina teo amin’ny toeram-pivoahana ny vatana mangatsiaka, teo akaikin’ny basiny, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny zandary mpanao famotorana. Mbola nahitana taim-bala miisa efatra tao akaikiny, miaraka amin’ny bala iray tsy mbola nipoaka. Rehefa nohamarinina ny basiny dia nisy tranom-bala nahita bala miisa 15 tao anatiny, niampy bala iray tsy nipoaka tao amin’ny basiny.

Telo lahy mampiahiahy
Taorian’ny fizahana ny razana, niroso tamin’ny fanamarinana ny miaramila rehetra ny lehibe nitarika ny andian-tafika sy ny tomponandraikitry ny fitaovam-piadiana ao amin’ny toby miaramilan’­ Ihosy. Nisy ny fisavana tsirairay ireo miaramila 300 lahy sy ny basiny. Hita tamin’izay fa misy zazavao iray vao naverina miaramila sy lehiben’izy ireo roa lahy no nahita marika na vovom-bala mampiahiahy ny fitaovam-piadiana nentiny. “Tsy maintsy hanaovana famo­torana izy ireo satria olona telo mampiahiahy, bala telo nahafaty ilay zazavao. Mbola tazomina ao amin’ny toby miaramila ny razana. Tsy afa-mihetsika ny andian-tafika aloha fa miandry ny toromarika rehetra”, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: