Trano nirehitra : Ramatoa iray maty kilan’ny afo tetsy Ambohimanga Rova

May kilan’ny afo nandritra ny firehetan’ny trano fonenany tetsy Ambohimanga Rova ny renim-pianakaviana iray, ny alahady alina teo. Tavela tao an-trano izy ary hita tao anaty “baignoire” ny razana izay efa may tanteraka.

Nitrangana haintrano na­hafatesan’olona tetsy amin’ny sampa­nana Am­bohimanga Rova, fokon­tany Ambohitrandria­manjaka, kaominina Ambohi­manga Rova ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo tamin’ny 11 ora. May kilan’ny afo nandritra izany ny renim-pianakaviana iray, 45 taona. Nahazo antso tamin’ ny olona tsara sitrapo mahakasika ny tranga ny lehiben’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova tamin’ny 11ora sy 40 mi­nitra. Tsy niandry ela fa nidina ni­jery ny zava-misy avy hatrany izy ireo. Tsy mbola tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina, tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Efa niitatra anefa ny afo ary nihanaka nandoro ny trano rehetra. Niainga tao amin’ny efitrano fandriana nisy io ramatoa namoy ny ainy io ny afo ary nihitatra haingana nanerana ny efitrano rehetra.

Tavela tao an-trano

Mbola tavela tao an-trano anefa ny vadin’ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Efa niezaka nitady ny fomba rehetra namonjena azy ny fianakaviana sy ny mponina manodidina fa tsy tafiditra tao intsony noho ny fihitaran’ny afo haingana be. Niara-nisalahy tamin’ ny famonoana ny afo ny vondrona mpamonjy voina avy eny Analamahitsy sy tetsy Tsara­la­làna Antananarivo Renivo­hitra rehefa tonga teny an-toerana. Naharitra ora telo ny fa­monoana ny afo. Niroso tamin’ ny fitadiavana ny razana izy ireo. Hita tao anaty “baignoire” ny vatana mangatsiaka efa may tanteraka. Tsy nisy na­manta­rana azy intsony ny razana. Natolotra ny fianakaviana moa ny razana taorian’izay.
Tapaka ny herinaratra teny amin’io toerana io talo­han’ny nitrangan’ny firehetana. Nive­rina tampoka anefa izany ka niteraka “court-circuit” sy fahamaizana tao an-trano, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: