Nodorana sy nopotehina omaly, tetsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny “Crystal Méthamphétamine”, milanja 10,9 kilao. Karazan-java-mahadomelina mahery vaika izay ampiasan’ny olona sy hita misy mivarotra eny amin’ny takotakona eny izy ity. Nanatanteraka ny fandorana izany ny Polisin’ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana ny fandorana.
Tsiahivina fa tratran’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) ny 12 aogositra 2025 teny Ampasampito Ambohimirary ireo rongony ireo. Lehilahy iray no tratra nivarotra antsokosoko izany. Nosamborina izy ary nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy. Taorian’ny famotorana nataon’ ny mpitandro filaminana, nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy io lehilahy io, ny 16 aogositra 2025 lasa teo.
Ankoatra izay, teratany vahiny Tanzaniana iray no mpamatsy ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo eto amin’ ny Nosy. Efa voasambotra ihany koa izy io ary efa migadra eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika izao hetsika atao izao. Antoka iray mampirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana ny fidorohana zava-mahadomelina.
Mino




