Latsaka tanaty hantsana ny taxi-be iray, omaly, teny Ambohidratrimo. Naratra vokatr’izany ny mpandeha 16 ka ny iray mbola miady aina. Voalaza fa resevera nangalatra nitondra fiara ity tra-doza ity. Nandray an-tanana ny fitsaboana ny tompon’ny fiara.
Zava-doza no nihatra tamin’ireo mpitaingina taxi-be hihazo an’Alakamisy Ambohidratrimo, omaly maraina. Nivarina an-kady ny fiara nitondra azy ireo. Nivoaka ny lalana, nivadibadika, tsy tafajanona raha tsy efa tany amin’ny faramparan’ilay hantsana izany. Vokany, olona 16 no naratra ka roa no tena voa mafy. Ny iray nalefa namonjy ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ny iray hafa, mbola miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitalin’Anosiala. Ny ambiny kosa manaraka fitsaboana ka nisy ny efa namonjy fodiana.
Samy nanana ny filazany ny mpandeha nanaovana fanadihadiana teny an-toerana, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 45 mn, nisehoan’ny loza. Nisy tamin’ny afaka niresaka no nilaza fa niala sakana ny mpamily. «Nisy kamiao nifanena izahay, kanefa nisy fiara na moto iray niezaka nisongona ity farany. Niala an’iny izahay no latsaka», hoy izy nitantara tamin-tahotra sy tsy nanaiky ho tononina. Ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny famotorana indray milaza fa resevera nangalatra nitondra fiara izy ity. «Narary ny tena mpamily. Mbola nangalatra nitondra mpandeha ihany koa», hoy ny loharanom-baovao.
Miray hina
Nandray an-tanana ny fitsaboana ny olona rehetra marary ny tompon’ny fiara, omaly, araka ny fampitam-baovao hatrany. Izy rahateo no miandry marary eny amin’ny hopitaly. Ankoatra ny tompon’ny fiara, nampiseho firaisankina ihany koa ny olona nitondra fiara nandalo teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Nisy ireo nivoaka, nidina teny amin’ny fiara. Namonjy ny naratra sy nitatitra azy ireo niakatra namonjy arabe, nisakana fiara. Misy indray ny fiara nandalo no nanam-piniavana, nitondra ny maratra namonjy hopitaly.
Zava-dehibe nahafahana nisoroka ny famoizana ny aina ny fahatongavan’ny olona namonjy ny naratra. Nisy tamin’ny voatsindry tao ambanin’ny fiara no voasokitra vetivety.
Misokatra ny fanadihadiana.
r.r




