Saika hatakalo tamin’ny banky : Lehilahy iray nahatrarana vola sandoka 10 000 dolara

Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria any Mahajanga ny lehilahy iray nahatrarana vola vahiny sandoka mitentina 44 tapitrisa Ariary. Avy aty Antananarivo ary nokasainy hatakalo tany amin’ny banky Mahanjanga ireo vola ireo.

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritr’i Mahajanga, oma­ly, ny lehilahy iray nampiasa sy nitondra vola vahiny sandoka. Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Tobim-paritry ny zandarimaria Mahajanga, omaly, tamin’ny 11 ora sy 35 minitra, fa misy lehilahy izay mampiahiahy sy mitady ny toerana fanaka­lozam-bola vahiny teo an-tampon-tanànan’i Maha­njan­ga. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana taorian’ny antso. Natao ny vela-pandrika, ary voasambotra ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ izany. Nahitana vola sandoka 100 dolara miisa 100, izany hoe 10 000 dolara tany anaty kitapo nobabeny, rehefa nosavaina. Mitentina 44 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ireo vola sandoka ireo. Nentina teny anivon’ny biraon’ny zandarimaria avy hatrany izy taorian’ izay. Nogiazana avokoa ireo vola sandoka tratra ireo.

Avy aty Antananarivo

Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana na­taon’ny zandary azy. Fantatra tamin’izany fa vao tonga tany Mahajanga, ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 05 ora folakandro teo izy sy ny lehi­lahy iray hafa niaraka taminy. Samy avy aty Antananarivo avokoa izy ireo izao nitondra vola sandoka izao. Nivantana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao Mahabibo Mahajanga, nanomboka tamin’ io andro io. Nokasaina hatakalo teny amin’ny banky tany Mahanjanga ireo vola ireo. Hatolotra ny fampanovana aorian’ny famotorana ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritr’i Mahajanga io lehilahy voarohirohy io.

Mino

Partager sur: