Ambohidratrimo : Tovovavy iray maty nokaikerin’ny alika

Voakaikitry ny alika tetsy Ambohidratrimo, ny volana jona lasa teo, ny tovovavy iray 17 taona. Namoy ny ainy, afakomaly, teny amin’ny hopitaly izy rehefa nialan’ny mpitsabo nenina, nanomboka ny talata lasa teo.

Mitohy hatrany ny tranga kaikitr’alika mahafaty olona eto amin’ny Nosy. Tsy tana intsony ny ain’ ny tovovavy 17 taona, mpianatra, rehefa nialana nenina teny amin’ny hopitaly Befela­ta­nana, nanomboka ny 29 ao­gositra 2025 lasa teo. Nokai­kerin’ny alika teo akaikin’ny Lycée Avenir Ambohidratrimo, ny volana jona 2025 lasa teo, izy. Tsy nanatona mpitsabo izy ireo noho ny firehana ara-pivavahana misy eo amin’ny fianakaviana, raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’io ve­hivavy io. Tsy nisy fitsaboana natao tamin’izany fa fametrahan-tanana sy fivavahana no natao.

Nanao krizy be

Rehefa nandeha ny fotoana, nanao krizy be io tovovavy io nanomboka ny 29 aogositra 2025 lasa teo. Tapakevitra ny tsy maintsy nitondrana ny ma­rary teny anivon’ny hopitaly haingana ny ray aman-dreniny. Natao ny ala nenina rehetra saingy tsy tana ny ainy, ny alarobia lasa teo, raha ny tatitra voaray hatrany.
Manoloana io tranga io, nivory maika ny OMC eo anivon’ny distrikan’Ambohidra­trimo, afakomaly. Nitarika izany ny lehiben’ny distrika sy ny Médecin Inspecteur eny an-toerana. Nentanina ireo olona miompy alika sy biby fiompy hafa mety hamindra haromotana. Tokony hanaraka fepetra ara-pahasalamana ho an’ny biby fiompy ihany koa ny tompony. Toy ny fa­naovam-baksiny, fitazomana ny alika ao anaty fefy sy ny maro hafa. Tokony hanatona mpitsabo haingana ny olona nokaikerin’ny alika. Eo koa ny famonoana ireo alika mirenireny sy tsisy mpiahy.

Mino

Partager sur: