Miditra amin’ny maintany ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara. Mahazo vahana sahady ny haintrano sy ny doro tanety. Tranga nampihoron-koditra, omaly, tao Toamasina, orinasa lehibe no inefatra ravan’ny afo hatramin’ny 2019.
Nahazo antso mahakasika firehetana ny vondrona mpamonjy voinan’ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, tamin’ny 03 ora maraina. Tonga teny an-toerana avy hatrany izy ireo nifehy ny afo. Teny an-toerana ihany koa ny fiarabe mpamonjy voina an’ny seranan-tsambo niara-nisalahy tamin’izy ireo. Noho ny hafanana sy ireo karazan-javamaniry tao anatiny, niparitaka haingana be ny afo ary nananosarotra ny famonoana izany. Naharitra ora maro ny fifehezana ny afo, hatramin’ny omaly tolakandro, mbola eny an-toerana ny mpamonjy voina. Tsy nisy olona naratra sy aina nafoy tamin’io tranga io. Fitaovana maro samihafa kosa no kilan’ny afo tanteraka. Mahatratra amina miliara Ariary ny fatiantoka ho an’ny orinasa Anjavidy vokatr’io firehetana io, raha ny fanazavana voaray. Kila forehitra tao avokoa ireo akora fototra rehetra, ny fitaovana samihafa, toy ny “moto pompe” vaovao afaka hisintonana rano avy amin’ny lakandranon’i Pangalana. Teo koa ny fiarabe mpamonjy voina, izay an’ny orinasa ihany.
Ahina ho misy ambadika
Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana. Ahina ho fandoroana niniana natao io tranga tao amin’ny orinasa Anjavidy io, raha ny angom-baovao natao. Tafiditra ao anatin’ny fampihenana mpiasa ny orinasa satria efa nivoaka ny lisitry ny mpiasa hoesorina sy hotazomina, ny fiandohan’ny herinandro teo. Niainga tao amin’ny orinasa ny afo, nilaza anefa ny loharanom-baovao fa tsy misy herinaratra tao amin’ny toerana misy ireo akoran-javamaniry ahodina ireo.
Nahitana trano lehibe iray koa nirehitra tao Mangarivotra Avaratra, tokony ho tamin’ny 1 ora tany ho any. Nahatratra an-tapitrisany ny fitaovana may tao anatiny.
Sajo




