Nivoaka omaly ny didy mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona efatra tetsy By Pass, ny alin’ny alarobia 1 mey lasa teo. Voasazy higadra, sazy mihatra, 24 volana an-tranomaizina, miampy lamandy iray hetsy ariary ilay teratany sinoa nahatonga ny loza. Mandoa onitra 40 tapitrisa Ariary ho an’ireo zanaky ny maty kosa ny tompon’ny fiara nentin’io teratany sinoa io sy ny trano fiantohana. 6 tapitrisa Ariary ho an’ny renin’ny maty. 4 tapitrisa Ariary ho an’ny mpiray tampo amin’ilay ramatoa maty. 6 tapitrisa Ariary ho an’ny mpiray tampo amin’ilay raim-pianakaviana maty, raha ny famakiana ny valin’ny didy teny an-toerana.
Nambaran’ny fianakavian’ ny maty fa tsy misy onitra alohan’io teratany sinoa io ho an’ny zanaky ny maty, raha io didy nivoaka io. « Mbola ny trano fiantohana sy ny tompon’ny fiara no voatondro handoa ireo onitra ireo », hoy hatrany izy ireo. Hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ireo fianakavian’ny maty. Tsy afapo tamin’ny didy izy ireo satria tsy mahasahana ny tetikasa sy ny zavatra tokony ho natrehan’izy ireo io onitra io.
Marihina fa natao ny zoma 22 aogositra lasa teo ny fotoam-pitsarana ny raharaha. Tokony hivoaka ny 29 aogositra ny didy saingy nihemotra omaly. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Mino




