Depot fahefatra: Anjakan’ny jiolahy tanteraka

Lasa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao amin’ny Toamasina ankehitriny. Nidiran’ny andian-jiolahy mirongo fiadiana ny tokantrano iray tany amin’ny fokontany Depot fahefatra, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Notafihan’ireo jiolahy ireo ny renim-pianakaviana mpikirakira tranoheva fanakalozam-bola sy fahana finday. Lasan’izy ireo ny finday miisa dimy tao an-tokatrano, sy vola 3 tapitrisa Ariary, firavaka, fahitalavitra fisaka. Tsy nisaron-tava ireo olon-dratsy, nokapohan’ireo olon-dratsy tamin’ny maritoa ny tareha sy ny lohan’ilay ramatoa. Nambaran’ny niharam-boina fa niezaka niantso vonjeo ny tao an-tokantrano fa saingy tsy nisy nanohina izany.
Tamin’io fotoana io ihany, raim-pianakaviana mpandraharaha iray hamonjy fodiana nosakanan’ ireo jiolahy teo ambavahadiny. Nohabanan’ireo olon-dratsy tamin’ny basy manoloana ny varavaran’ny fiarany izy io. Nodarohana ary norahonana hanome ny vola rehetra. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ny vola sy finday avo lenta ary ireo kojakoja maro samihafa tao anaty fiara.

Sajo

Partager sur: