Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahatratra efatra ireo olona namoy ny ainy vokatr’izany. Olona telo maty vokatry ny fianjeran’ny taksiborosy tany anaty hantsana. Maty vokatry ny fifandonana teny amin’ny RN7 ny Pretra iray hafa.
Niharan-doza teo amin’ny fokontany Ambatomivaha, distrikan’i Manjakandriana teo amin’ny lalam-pirenena faharoa ny fiara sprinter iray ny sabotsy teo. Nitranga teo amin’ny PK 53 + 200 tokony ho tamin’ny dimy latsaka fahefany ny loza. Nivily niala fiholanana ny mpamily ka nivarina tany anaty hantsana lalina ny fiara. Vokatry ny dona sy fianjerana, mpandeha telo namoy ny ainy. Nahitana lehilahy lehibe iray 60 taona sy vehivavy 27 taona ary mpandeha iray hafa. Tsy fitandreman’ny mpamily sy fandehanana mafy ny anton’ny loza, raha ny tombana. Samy naratra avokoa ireo mpandeha 16 tao anatiny, anisan’izany ny mpamily, 23 taona, izay zanaky ny tompon’ny fiara ihany. Amin’ny ankapobeny, potika tanteraka ny 85 % ny fiara. Taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny zandary avy amin’ny tobim-paritr’i Manjakandriana sy ny polisy avy amin’ny CSP Manjakandriana. Nalefa eny amin’ny HJRA sy ao amin’ny CHRD Manjakandriana ireo narary.
Pretra iray maty nidona tamin’ny mpijapy kamiao
Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teo amin’ny toerana antsoina hoe Vatolahy, tokony ho 3 km miala ny lalam-pirenena fahafito, lalana mankany Ifandana Zazafotsy ny pretra iray. Niara-doza teny am-pitondrana moto marika Honda XL 125cc izy. Nifandona tamin’ny olona iray nijapy fiarabe nandeha teo alohany izy, raha ny fanazavana voaray. Raha ny fantatra, nijapy io kamiao io ny tovolahy iray, nitsakimbina tampoka avy ao aorian’ilay kamiao ity farany. Nianjera izy ary nifandona mafy tamin’ilay pretra teny ambony moto. Vokany, maty tsy tra-drano vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy. Tafatsangana ary lasa nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza taorian’ny loza. Nanao fanarahan-dia haingana ny zandary ka voasambotra tsy lavitra ilay tovolahy. Noentina nihazo ny tobin’ny zandarimaria any Ihosy io tovolahy io noho ny tahotra ny hisian’ny fitsaram-bahoaka.
Mino




