Mananosarotra amin’ny tanora ny fisafidianana lalam-piofanana arahina aorian’ny fahafahana fanadinana bakalorea. Manomboka mahaliana ny azy ireo ny fandratoana ny lalam-piofanana mahakasika ny tontolon’ny famoriana fiaramanidina.
Manodidina ny 10 000 isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea eto Madagasikara. Kely dia kely ny fahafahana mandray mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana, raha mitaha ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana bakalorea isan-taona. Tetsy andaniny, misedra fahasiharanana amin’ny fitadiavana sekoly ambony handratoana fianarana ny tanora vao afaka fanadinana bakalorea, ankehitriny. Anisany manampy ny tanora malagasy amin’ny fitadiavana lalam-piofanana mifandraika amin’ny safidiny, ny hetsika Salon de l’étudiant isan-karazany.
Nandritra ny roapolo taona, miovavova arakaraka ny zava-misy ny fisafidianan’ny ankizy ny lalam-piofanana, raha ny fanadihadiana. Amin’ izao fotoana izao, lalam-piofanana voalohany anisan’ny mahasarika tanora maro eto Madagasikara ny tontolon’ny administration, ny varotra, ny business ary ny informatika. Mora ahitana asa sy betsaka tolotrasa ireo lalam-piofanana ireo mahakasika izany ny antony mahatonga ny safidy, raha ny fanadihadiana natao. Ankoatra izay, lalam-piofanana manomboka efa tian’ny tanora amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny famoriana fiaramanidina. Ilaina fahaizana tia mikirakira sy mikitika solosaina io lalam-piofanana io. Tombony ho an’ny ankizy manaraka io lalam-piofanana io ny tsy mijanona amin’ny sehatry ny informatika ihany fa mivelatra amin’ny zavatra hafa marobe. Sehatra teknika sy siantifika miompana amin’ny fikarakarana sy fampandehanana fiaramanidina sy milina manidina amin’ny ankapobeny. Mitaky fahaizana sy fahafehezana manokana amin’ny lafiny mekanika, herinaratra, elektronika, fandrindrana ary fiarovana izany. Anisan’ny taranja maro mpisafidy ny fitondrana fiaramanidina, fitsipika ana habakabaka, fifehezana toe-javatra mahery vaika, ary ny fahaiza-manao teknika. Eo koa ny fianarana momba ny mekanika sy elektronika ary ny rafitra anatiny momba ny fiaramanidina. Toy izany koa ny miandraikitra ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny sidina sy ny maro hafa.
Manampy betsaka ny “Salon des étudiants”
“Anisan’ny manampy azy ireo amin’ny fitadiavana ireo karazana sekoly sy taranja azo arahana ny fisian’ny hetsika samihafa”, hoy ny mpikarakara ny hetsika eo anivon’ny «Mada jeune». Zava-dehibe ny fahaizana misafidy ny sekoly sy ny lalam-piofanana arahina. Tanjona ny hamolavola ny hoavin’ny ankizy amin’ny alalan’ny fahaizana misafidy ireo taranja sy fianarana hianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Toy ny «salon des études supérieurs », andiany faha-22, tetsy amin’ny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny talata sy alarobia lasa teo. Hetsika nokarakarain’ny Mada Jeune. Nahitana mpandray anjara maherin’ny 80 teo teny an-toerana. Aparitaka ao anatin’ny trano heva 100 isa eo. Nahitana fianarana ambony sy toeram-panofanana eto an-toerana sy avy any ivelany. Natao mba hanampiana ny mpianatra maniry ny hanohy fianarana aorian’ny fahazahoana ny fanadinana bakalorea. “Afaka manatona sy manontany ny andinindininy mahakasika ny lalam-piofanana ary mety hanala ny ahiahy rehetra mety hahazo ny ray aman-dreny sy ny zaza”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Mada jeune.

Mijery ny tontolon’ny asa
Ahafahana tsara misafidy amin’ny tontolon’ny asa ihany koa aorian’ny fianarana. Zavatra tsy ampy amin’ny tanora malagasy vao afaka fanadinana ny fanomanana azy ireo amin’ny sehatra sy ny tontolon’ny asa. Ilaina fanomanana ihany koa ny fitadiavana asa atao any aoriana. Tsy mifanaraka amin’ny fahaizan’ny mpianatra ny filana momba ny asa, raha ny zava-misy. “Ilaina ny fanomanana ny tanora mpianatra hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa na dia mbola tsy nahavita fianarana aza”, hoy hatrany ny fanazavana. Nambarany fa tsara tarihina any amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ny mpianatra, mba hahafahan’izy ireo mahita sy mahay ilay asa rehefa mivoaka fianarana. “Tsy mbola mazava amin’ny ankizy malagasy ny zavatra tena tiany hatao rehefa any aoriana. Mbola miahiahy ihany koa izy ireo mahakasika ny lalam-piofanana mora ahitana asa eny anivon’ny sekoly ambony. Nambarany fa ilaina ary tena zava-dehibe ny fananana diplaoma rehefa hitady asa amin’izao fotoana izao. Tokony hampahafantarina ny ankizy dieny mbola eny amin’ny fampianarana ankapobeny ny fahaizana misafidy ny lalam-piofanana tiany harahina. Tanjona ny hananana hoavy mamiratra sy hananan’ireo ankizy asa eto anivon’ny firenena.
Nanatontosa : Mino




