Hita nitsirara tamin’ny arabe, tao an-tampon-tanànan’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, ny tovolahy 23 taona, mpandanja volamena. Maty voatsatoka antsy izy raha ny fizahana ny razana. Nisy lehilahy telo nilaza ny handanja volamena taminy tamin’ny fotoana namelarany ny fitaovam-pandanjana volamena. Nitondra antsy teny am-balahany ireo olona ireo, ka nikoropaka io tovolahy io rehefa nahita izany. Tsy nisalasala fa nanatsatoka izany tany amin’ny fon’ilay mpandanja volamena ireo olon-dratsy ireo. Mbola nahavita nandositra anefa izy taorian’ny voina nahazo azy. Namoy ny ainy teny amin’ny arabe noho ny fahaverezan-dra be loatra nahazo azy izy.
Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny zandary sy ny miaramila miasa any amin’iny faritra iny taorian’ny antso. Natomboka ny fanarahan-dia ireo nahavanon-doza. Marihina fa nisy olona roa hafa naratra voatsatoka antsy ihany koa tamin’io fotoana io. Heverina fa novonoin’ireo olon-dratsy ireo ihany. Nentina teny amin’ny hopitaly Morafenokely Maevatanàna ny razana, Nakarina nihazo aty Antananarivo taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Mino




