Fikasana hanafika : Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina ny jiolahy roa, nikasa hanao fanafihana mi­tam-piadiana tany Toamasina. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny polisy fa misy andian-dehilahy mikasa sy mikononkonona hanao asa ratsy tao Tanamakoa. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo taorian’ny antso. Nifanehatra tamin’ny Polisin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) sy ny commissariat de Sécurité publique CSP1 tany Toamasina ireo jiolahy miisa efatra, voalaza ireo. Nirongo fitaovam-piadiana izy rehetra. Nitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy ireo rehefa nahatazana ireo polisy. Na­maly tifitra ihany koa ny polisy manoloana izany mba ho fiarovan-tena. Raikitra teo ny fifanjevoana sy fifampitifirana. Niezaka nandositra ireo olon-dratsy nandritra ny fifanjevoana. Vokatry ny hamafin’ny fifandonana, lavo nandritra izany ny roa tamin’ireo jiolahy ireo. Raha toa ka tafaporitsaka kosa ny roa ambiny. Mbola hita teny amin’izy ireo moa ny basy iray nampiasainy niaraka tamin’ny chargeur nisy bala dimy.
Raha ny fantatra, anisan’ny jiolahy vao avy nandray anjara tamina fanafihana mpitantana tobin-tsolika ao Toamasina, ny 01 Septambra 2025 lasa teo ireto voatifitra ireto, raha ny angom-baovao voaray. Vaorakitra tao anatin’ny “caméra de surveillance” moa ny endrik’izy ireo. Efa nokarohina ary izao lavo izao. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: