Kamiaobe tapaka hisatra : Taxibe iray voafaoka, mpitaingina moto maty

Maty ny lehilahy mpitaingina moto iray, omaly. Voafaokan’ny kamiao be tapaka hisatra teny Alakamisy Ambohidratrimo izy. Taxibe iray koa voadoana, naratra ny mpanampy ny mpamily.

Nitrangana lozam-pifampivoizana namoizana aina indray tetsy Ala­kamisy Ambohidratrimo, omaly hariva tokony tamin’ny 4 ora sy sasany. Niseho teo amin’ny lalana akaikin’ny tobin-tsolika Total Alakamisy Ambohidratrimo ny loza. Fiarabe, mpitatitra tany sy fasika, tapaka hisatra avy any amin’ny kaominina Alakamisy no nihavian’ny loza, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso teny an-toerana. Nifatratra tao amin’ny moto iray notaingenan’olona anankiroa nijanona teo akakin’ny sampanana ilay fiara. Tsy mbola tafajanona fa mbola nirifatra ary nahavoadoana vodina taxibe iray zotra D, mampitohy an’Anosiala sy 67 Ha indray avy eo. Potsitra tao anelanelan’ilay fiarabe sy ilay fiara taxibe ilay moto sy ny mpitondra azy. Vokany, maty tsy tra-drano teo no ho eo ilay olona noentina tamin’ilay moto. Raha toa ka naratra mafy kosa ilay nitondra. Ankoatra izay, naratra sy tapaka teo amin’ny tongony kosa ny mpamily mpanampin’ilay taxibe voadona. Efa noentina teny amin’ny hopitaly moa ireo naratra taorian’ny loza. Mbola tsy nahazoana tatitra mazava mahakasika io loza io kosa ny zandary eny an-toerana.

Misy lozam-pifamoivoizana matetika
Nahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny zotra D mampitohy an’Alakamisy Ambohi­dra­trimo sy 67 Ha tato ho ato. Tamin’ny fiandohan’ny volana septambara ity, fiara zotra D no nivarina tany anaty hantsana teny Ambohidratrimo. Olo­na 16 no naratra ary iray no tena voa mafy. Nivarina an-kady ny fiara nitondra azy ireo. Antony mahatonga ny lozam-pifamoivizana ny tsy fitandreman’ny mpamily, ny haratsian’ny lalana ary ny fandehanana mafy. Mitaky fahamailoana sy fitandremana hatrany ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: