Voaroba ny hotely iray, omaly maraina, tetsy Ankazomanga. Tsy lasa lavitra fa voasambotra ny efa-dahy. Mbola nahatrarana 144 tapitrisa Ariary sy 12 230 Dolara ny iray.
Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny trano fandraisam-bahiny iray etsy Ankazomanga, omaly maraina. Norobain’izy ireo, tamin’izany, ny vola rehetra. Lasa nitsoaka avy hatrany ny olon-dratsy rehefa nahazo izay notadiaviny. Vantany vao lasa izy ireo, nampandre ny Sampandraharaha foibe miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika na Sag ny olona tsara sitrapo.
Tsy niandry ela, nidina ifotony nijery ny zava-misy ny polisy. Efa lasa nandositra niaraka tamin’ny entana nangalariny ny olon-dratsy. Nisy iray taraiky anefa teo am-baravarana, noraisim-potsiny. Efa tafatsoaka niaraka tamin’ny kitapom-bola ny namany iray hafa.
Natao fanadihadiana avy hatrany ilay voasambotra.
Hita teny aminy ny finday iray marika Infinix, poketra iray, ny firafitr’ilay hotely notafihina. Kitapo miloko volontany feno vola nitentina 118 000 000 Ariary. Ankoatra izay, mbola hita teny aminy ihany koa ny kitapo miloko mainty nahitana 26 000 000 Ariary sy vola vahiny mitentina 12 230 Dolara.
Tsy voafaritra
Hatreto, tsy voafaritra mazava, araka izany, ny vola very tamin’ny fandrobana satria misy ny jiolahy hafa nitondra ny remby. Nisy olon-dratsy telo, mpiray tsikombakomba, voasambotra ny omaly hariva saingy tsy nahitana na inona na inona. Voasambotra tao amin’ilay hotely ihany ny iray tamin’ireo telo hafa tratra ireo. Tratra teny amin’ny Fasika Ankadimbahoaka ny iray hafa ary teny Ankadikely Ilafy ny iray farany.
Mitohy, araka izany, ny fikarohana, ka mandray an-tanana ny fanadihadiana ry zareo ao amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava etsy Anosy. Nitohy Hatramin’ny alina ny fakana am-bavany ireo efa-dahy voasambotra. Hatolotra ny mpampanoa lalàna izy ireo aorian’izany, rehefa vita ny famotorana. Efa naverina tamin’ ny tompony avokoa ny vola voaroba.
Mino




