Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, lalam-pirenena fahafito, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Fiara kely iray, marika Daihatsu, no nifaoka mpitondra bisikileta iray. Avy aty Antananarivo, handeha hianatsimo io niavian’ny loza io, raha ny tatitra voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ilay rangahy noho ny hamafin’ny dona nahazo azy.
Taorian’ny antso avy amin’ ny olon-tsotra, tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny zandary avy ao Antanifotsy. Nandeha mafy tamin’ny lalana “terrasement” io fiara io ary nifaoka mpitondra bisikileta iray nandeha tamin’ny sisin-dalana, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary ao Antanifotsy, miandraikitra ny raharaha. Efa naka sisiny kosa ilay rangahy nitondra bisikileta nefa mbola voafaokan’ity fiara ity ihany, raha ny tatitra hatrany.
Marihina fa efa avy nandona andrin-tany io fiara io talohan’ny nandomany ilay bisikileta, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary hatrany.
Taorian’ny loza, lasa nitsoaka avy hatrany ilay mpamilin’ny fiara. Tsy tonga nanatona biraon’ny manam-pahefana izy hatramin’ny nanoratana, omaly. Tsy mbola hita izy io ary mbola mikaroka azy ny zandary any an-toerana. Nogiazana kosa ilay fiara nihavian’ny loza.
Mino




