Fampandrosoana ny sehatry ny varotra : Hanatsara ny tolotra sy ny vokatra aondrana ny Fanjakana

Hametraka paikady vaovao hanatsarana ny vokatra aondrana any ivelany i Madagasikara. Nisy ny atrikasa natao omaly, teny Anosy, mahakasika izany.

Notanterahina tetsy Ano­sy, omaly, ny atrikasa lehibe nokarakarain’ny ministeran’ny Fampirobo­ro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC), tohanan’ny Padeir. Araka ny fanazavana voaray, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny varotra ivelany ny atrikasa. Hetsika roa no natao tamin’izany. Teo ny fankatoavana ny drafitra nasionaly ho an’ny fanondranana (SNE) sy ny paikady fifandraisana momba ny fifaneken’ny mpiara-miombon’antoka ara- toekarena, APE.
Ny SNE izay novolavolaina nandritra ny valo volana niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina sy ny sehatra tsy miankina. Mikendry ny hanamafisany ny vokatra sy ny tolotra aondrana sy hanatsarana ny fifaninanana sy ny lanjan’i Madagasikara eo anivon’ireo tsenam-barotra iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny hampihenana hatramin’ny 30%, isan-taona, ny tsy fifandanjan’ny varotra.
Voafaritra ao anatin’ity paikady nasionaly ity ny asa laharam-pahamehana sy ny rafitra fanaraha-maso mba hahazoana vokatra mivaingana ho an’ny toekarena.

Fisokafana sy fiaraha-miasa
Manamafy ny toerana ijoroan’i Madagasikara amin’ny tsena iraisam-pirenena ny SNE, indrindra ao amin’ny SADC, Comesa ary ny Zlecaf. Vokatry ny fiaraha-miasa stratejika teo amin’ny MIC, ny MEF/Bace ary ny Vondrona eoropeanina, izay mikendry ny famoronana asa, fanokafana tsena vaovao ary fanatsarana ny fari-piainan’ny Ma­lagasy ny fanomanana azy. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fankatoavana ny paikady fifandraisana momba ny APE. Ity fifanarahana ity izay nosoniavina tamin’ny taona 2008 ary nankatoavina tamin’ny 2012. Manamora ny fidirana amin’ny tsena sy manamafy ny varotra ary mampitombo ny fandraisana anjara ara-toekarena izany. Araka izany, natao hampahafantarana bebe kokoa ny APE sy ny tombontsoa entiny ny paikady vaovao. Ireo atrikasa roa ireo no manaporofo ny finiavan’ny fanjakana hanova ny harinkarena sy ny fahafaha-mamokatra ho azo tsapain-tanana, hahazoan’ny orinasa sy ny vahoaka tombontsoa.

Fitia Randria

Partager sur: