Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa Bis, afakomaly, tamin’ny 7 ora hariva. Niseho teo amin’ny toerana manoloana ny Tropical Fruit izany. Tuc-tuc marika Piaggio iray, nentina lehilahy iray 30 taona, no nihavian’ny loza. Nandona rangahy (55 taona) nandeha an-tongotra teny amin’ny sisin-dalana izy. Noho ny hamafin’ny dona, samy naratra mafy na ilay mpandeha an-tongotra na ilay mpamilin’ny Tuc-tuc. Nentina teny anivon’ny hopitaly CHU Analankininina izy ireo taorian’izay. Tsy tana anefa ny ain’ilay mpandeha an-tongotra tamin’ny 8 ora latsaka 10, rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Nalefa ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Analankinina ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Raim-pianakaviana avy any Vohibato, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Foulpointe, io voadoana io. Saika hihazo an’ i Toamasina hankalaza ny faha-70 taonan’ny katekista ao amin’ny diosezin’i Toamasina izy, raha ny fantatra.
Efa nampahafantarana ny zava-nitranga ny fianakaviany sy ireo tomponandraikitra ao amin’ny diosezin’i Toamasina. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika io tranga io.
Mino




