Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly, nesorina teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny Kaomisiona mitantana ny sidina ana habakabaka (ACM) azy, ny kolonely Gervais Damasy. Antony iray nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny raharaha “Boeing 777”, izay naiditra antsokosoko any Iran.
Mbola voatazona vonjimaika any am-ponja moa ity mpitantana ny ACM teo aloha ity, nanomboka ny 22 aogositra lasa teo, miaraka amin’ireo olona miisa 21 voarohirohy amin’ity raharaha ity. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nandalo fampanoavana teo anatrehan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly, Pac, ity tale jeneraly teo aloha ity.
Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo “Boeing 777”, mandrapa-hita ny marina momba izany. Marihina fa hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, tsy mbola nisy ny fanendrena izay handimby ny toerany.
Fitia Randria




