Tanora iray manan-talenta amin’ny baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia na i Eto’o. Efa nandrafitra ny ekipa nasionaly Barea zandriny, U17 sy U20, ny tenany, tany aloha, ary izao nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy izao.
Anisan’ireo mpilalao nanana ny hoaviny amin’ny resaka baolina kitra Rakotoarison Fiorenana Fitia, saingy nisafidy ny hanao mpandraharaha. Araka ny fanadihadiana natao taminy, omaly, nisafidy ny hisehatra amin’ny resaka fivarotana mofo mamy sy ny manodidina ny sakafo ny tenany, na dia naniry ny ho lasa lavitra amin’ny taranja baolina kitra aza.
Raha ny fitantarany, tao amin’ny Académie national des sports (ANS) Ampefiloha izy no nanomboka nilalao baolina. Mbola 11 taona ny tenany tamin’izany. Ny taona 2010, rehefa feno 16 taona, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea U17, izay niatrika ny lalaon’ny tanora, CJSOI, tatsy La Réunion. Randriambololona Patrick na i maître Tipet moa no mpanazatran’ny Barea zandriny tamin’izany fotoana izany.
Taorian’io, lasan’ny klioba St Michel Foot ary efa nandalo tao amin’ny AZ Anosizato ny tenany. Ny taona 2013, nitondra avo ny ekipam-pirenana Barea U20, niatrika ny Cosafa, tany Lésotho. Ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô no nitondra azy ireo tamin’izany fotoana izany, araka ny filazany ihany.
Najanona ny resaka baolina kitra
Na dia teo aza ny fanirian’i Eto’o hisehatra amin’ny baolina kitra matihanina, voatery najanony izany noho ny fianarana sy ny anatry ny rainy. “Tena nanana eritreritra ny ho lasa lavitra amin’io taranja io aho, saingy ny fianarana tsy afaka najanona tamin’izany fotoana izany. Etsy ankilany, somary sahirana aho amin’ilay manenjika kotrana sy ny fianarana, moa mbola tsy nahay nandanjalanja ny fotoana koa ny tena, ka misy iray tsy maintsy latsaka kely hatrany”, hoy i Fiorenana Fitia.
Nanampy azy hanohy ny fianarana ihany koa ny anatra nataon’ny rainy azy. “I dada ihany koa nametraka fanontaniana, izay sarotra tamiko no namaly azy tamin’izany, hoe : Mandrapaha oviana ialahy no hanao baolina kitra? Mety hahavelona ny ankohonana ve io any aorina any, rehefa tsy afaka hilalao intsony noho ny taona ialahy, ka hanao inona? Teo aho no nanapaka hevitra ny tsy hilalao amin’ny sehatra baolina kitra matihanina intsony.” Tsiahy kelin’ity tovolahy ity, raha nitantara ny lasany tany amin’ny taona 2015 tany izy.

Nanombohana ny asa
Raha ny fanazavana nataony, nianatra ny resaka momba ny sakafo sy ny tontolon’ny fizahantany ny tenany, ary efa nisy fotoana aza izy nanao mpianatr’asa tamin’ny Hotel Carlton Anosy. Teo anelanelan’ny 2017 – 2018, niantso azy hiverina hilalao baolina kitra ny maître Tipet, ary nilalao tao amin’ny Cnaps Sport Analamanga izy. Nambarany fa tsy nitovy tamin’ilay fahazotoana voalohany intsony ny fanaovana izany baolina kitra izany. Efa nihena ny faniriana ny ho tafita amin’ity taranja ity satria lasa ny resaka asa no nibahana tao an-tsainy. Rehefa rava ny Cnaps Sport, nandray fepetra hentitra izy, ka niditra tanteraka tamin’ny resaka fivarotana mofo mamy, ary tamin’io fotoana io ihany koa no nandraisany ity asa ity ho fivelomany sy ny ho fitadiavana ho an’ny ankohonany.
Nandritra ny hamehana ara-pahasalamana, noho ny Covid-19, nandray “commande” tao anaty tambajotran-tserasera ny tenany. Nivoatra tanteraka tamin’ity sehatra ity i Fiorenana Fitia, ary efa betsaka ireo olona nanjifa mofo mamy vokariny. Nomarihiny fa natao ho “Plan B” ihany ny resaka fivarotana mofo mamy tany aloha Saingy noho izy efa nanambady sy namelona ny ankohonany, nataony laharam-pamehana amin’izay izany.
Manana tanjona ny ho lasa lavitra amin’ity sehatra ity ny tovolahy, ankehitriny, ary eo ihany koa ny faniriany hampita sy hampianatra izay fahaizany amin’ireny fikambanana miahy ny zaza sahirana sy zaza kamboty ireny. “ Raha misy liana amin’izany resaka izany, vonona ny amin’ny fiaraha-miasa aho”, hoy izy.
Nametraka hafatra ho an’ny tanora, indrindra eo amin’ny 17 hatramin’ny 22 taona eo, izy.
“Ny hafatra tiako hampitaina ho an’ny tanora, tena tsara ny manao fanatanjahantena na inona na inona taranja ataonao, sy ny talenta anananao. Trandraho ary ataovy izay hahatongavana amin’ny tanjona. Saingy, ny fianarana aza atao ambanin-javatra. Afaka miaraka tsara ireo rehefa hainao ny mitondra sy mandanjalanja izany”, hoy Rakotoarison Fiorenana Fitia, Malagasy 31 taona, efa mpandraharaha amin’ny resaka mofo mamy.
Nanatontosa : Fitia Randria




