Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Amboditsiry, ny lehilahy roa. Tra-tehaka teo am-panaovana sinto-mahery olona teny amin’ny manodidina izy ireo, afakomaly, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka narahi-maso ary izao tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izao. Nentina eny anivon’ny biraon’ny kaomisaria boriborintany fahavalo Analamahitsy, izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny polisy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny hetsika tahaka izao.
Ankoatra izay, lehilahy iray hafa tratra nangalatra jiro manazava amin’ny alina tany Tsianaloka Toliara, afakomaly. Nisy olona telo nanala jiro «Cobra» sy nametraka izany manoloana ny hotely iray any an-toerana. Nifanehitra tamin’ny polisin’ny Fip nanao fisafoana izy ireo. Nandositra ny roa tamin’ireo olon-dratsy vantany vao nahita ny mpitandro ny filaminana. Voasambotra niaraka tamin’ny entana halatra kosa ny iray. Nentina any amin’ny biraon’ny polisy ihany koa izy taorian’izany. Mitohy ny fikarohana ireo namany.
Mino




