Mampiasa teknolojia vaovao ny orinasa Airtel Madagasikara. Ampiasaina voalohany eto amintsika ny fitaovana VoLTE (Voice over LTE), ampiasaina amin’ny fifampiresahana amin’ny finday. Mampiavaka azy, azo atao ny mifampiresaka amin’ny finday, mazava tsara ny feo (HD), amin’ny alalan’ny tanjaka 4G. Na eo am-piresahana aza, azo atao ny manao zavatra hafa anaty finday, miditra anaty internet, nefa tsy mihena, tsy misy fiovana ny kalitao, ary tsy mitombo ny saran’ny fifandraisana.
Maro ny tombony azon’ny mpanjifa mampiasa ny VoLTE, miohatra amin’ny antso ampiasana 2G na 3G. Voalohany, tsara tokoa ny kalitaon’ny feo sy ny fifandraisan-davitra, na dia ao anaty tontolo mikorontana aza. Faharoa, malaky ny hafainganam-pandehan’ny antso, izay avo roa heny no ho ny tany aloha. Fahatelo, tsy mandany bateria, satria misy fitsitsiana manokana ny angovo. Fahefatra, azo atao ny miditra anaty internet, mandritra ny fifandraisana amin’ny antso fa tsy tapaka mihitsy.
Hita any anatin’ny findain’ny mpanjifa manana smartphone ny VoLTE, sy karatra SIM 4G ary amin’ny toerana misy tambajotra 4G. Ampidirina manokana kosa izy ho an’ny finday smartphone sasany. Nilaza ny tale jeneraly ny Airtel Madagasikara, Cathérine Tchokonté, fa « dingana vaovao hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, tolotra matanjaka, haingana ary misy fifandraisan-davitra tsy tapaka izao atao izao. Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ho maoderina ny tambajotra sy ny kalitao ».
Njaka A.




