Mitondra tombontsoa maro ho an’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Nosy ny fanodinana ny vokatra raketa. Ahavitana hoditra sy ahazoana sakafo maro samihafa izany.
Manomboka mikaroka zava-baovao amin’ny alalan’ny akora misy eto Madagasikara ny tanora malagasy. Anisan’ny mahavita mamadika ny raketa ho lasa hoditra, na Cuire végétale, i Betina Bruno, mpianatra mpikaroka. Nanana nofinofy hamokatra zavatra amin’ny alalan’ny akora fototra misy eto an-toerana izy fony nianatra teny amin’ny polytechnique, tamin’ny taona 2022. Tsy maintsy tanterahina ny tetikasa vokarina ary io famadihana raketa io no nifotorany.
In-99 ny andrana natao nandritra ny enim-bolana. “Tsy natory andro aman’alina izay vao nahomby ny valin’ny fikarohana”, hoy i Betina Bruno. Tsy raketa ihany fa nampiasa akora hafa ihany koa izy nandritra ny fikarohana, toy ny vovoka kapoaka sy kesika. Nisy hatrany ny fanatsarana natao. Ankoatra ny fampiasana ravina raketa, nampiana vovoka kapoaka koa izy ireo mba hampaharitra sy hahamafy ny vokatra ary vovoka kesika mba hampalefaka ny hoditra azo avy eo. Nahazoana ny hoditra ny fifampifangaroan’ireo akora ireo. Ankoatra izay, hahavitana ranomboankazo, legioma, divay, « confiture » ary lafarinina ihany koa ny ravina raketa ampiasain’izy ireo.

Ahitana raketa ny etsy Ivato sy Diego ary any Atsimo
Ahitana raketa betsaka indrindra ny any amin’ny faritra atsimo iny. Verivery fotsiny izany any an-toerana, ankoatra ny fihinanan’ny olona any amin’ny tanin’ny kere azy. Nifantoka tamin’ny raketa ny voka-pikarohana rehefa hita ny olan’ny olona any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. « Noheverina fa tsy misy nilaina azy ny raketa taloha fa manimba ny tany sy voly”, hoy ihany izy. Natao ny fikarohana ary anisan’ny toerana nahitana izany ihany koa ny etsy Ivato sy any Diego.
Etsy ankilany, natomboka ihany koa ny fambolena raketa amin’ny toerana hafa, mba tsy hionona amin’ireo vokatra raketa any amin’ireo toerana ireo fotsiny. Ampitomboina ny akora mba hahafahana miatrika ny fanamby sy ny fanodinana ny vokatra.
Misokatra amin’ny lalam-barotra any ivelany
Mahavita hoditra 1m2 ny raketa milanja dimy kilao, raha ny nambarany hatrany. Ahitana vovoka kapoaka sy kesika, ny 10 %. Miara-miasa amin’ny laboratoara vitsivitsy izy ireo amin’ny famadihana ireo akora ireo.
Mbola trandrahin’ny orinasa amin’izao fotoana izao ny tsenambarotra any ivelany, noho ny fahakelezan’ny zavatra vitan’ny orinasa. Ny Nosy La Réunion sy France ary Canada no mbola betsaka manjifa ny vokatra, hatreto. Somary lafo ny zavatra vita ka tsy mbola takatry ny sarambaben’ny Malagasy. Rehefa mihodina tsara ny orinasa ka betsaka ny vokatra vao manomboka mitrandraka ny tsena eto an-toerana izy ireo.
Miteraka asa maro
Zava-dehibe ho an’ny any amin’iny faritra atsimo iny ity tetikasa ity, raha ny filazany. Miteraka famoronana asa ho an’ny mponina ny fitsanganan’ny orinasa hamboly raketa. Lasa miakatra an-tanàn-dehibe mitady asa mantsy ny olona ka miteraka tsy fandriampahalemana any an-toerana izany. Hisy loharanom-bola rehefa tafapetraka io orinasa io, izay hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina. Hahazo tombony avokoa ny tantsaha sy ny fanjakana satria tombanana ny fiakaran’ny vola miditra isan-tokantrano. Hisy ny fambolena raketa izay hataon’ny mponina ka hiteraka famoronana asa sy loharanom-bola ho an’ny tokantrano.
Mampiasa zavamaniry 100 % ny fanodinana sy famokarana hoditra ataony. Ny fanaovana izany, no nahazoana ny fankatoavana sy ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny asa fikarohana. Misy fitsapana maro atao amin’ny vokatra azo, toy ny fitsapana raha mateza sy mafy ary mihenjana na malefaka tsara izany. Ankoatra izay, mahazaka taratra sy ny hafanan’ny masoandro tsara ny hoditra mivoaka ka tsy atahorana hipoaka? Manampy izay, tsapaina koa raha mitsonika na tsia raha tratran’ny rano.
Nanatontosa : Mino




