Vaky fasana : Razana 42 lasan’ny jiolahy

Fongana ny fasana miisa telo tao amin’ny tanànan’­ Ambatolampy, fokontany Analamarina, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 10 septambra lasa teo. Novakin’ny jiolahy ireo fasana telo tsy mifanalavitra. Nentin’ireo tsy mataho-tody avokoa ny razana am-polony tao anatin’ireo fasana ireo. Nalain’ireo mpandroba ireo ny razana miisa dimy tao amin’ny fasana voalohany. Nokorontanin’izy ireo ny razana tao am-pasana ho an’ny fasana lasibatra faharoa. Razana dimy nanjavona rehefa nanamarina ny tompom-pasana. Ankoatr’ireo, karan-doha roa, niampy razana tokana hany sisa navelan’ireo mpandroba tao amin’ny fasana fahatelo, satria lasan’izy ireo ny 26. Mitotaly 42 ireo razana very nandritra io vaky fasana io. Fianakaviana hanao fandevenana anirotra no nahita ireo fasana efa nisokatra. Tsy fantatra ny fotoana nanatanterahan’ireo tsy valahara ny asa ratsiny. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: