Hotely VENUS – 67 Ha Atsimo : Sinoa mpianadahy hita faty tao an-tranony

Hita faty tao an-trano fonenany, ao anatin’ny trano fisakafoana Venus, etsy 67 Ha Atsimo, omaly atoandro, ny sinoa mpianadahy, 63 sy 65 taona. Nanomboka tsy hita ny alakamisy 11 septambra lasa teo izy ireo, rehefa nikatona ny tsena.

Tonga nametraka fitarainana teny anivon’ny Kao­misarian’ny polisy ny ramatoa iray 46 taona, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Nambarany tamin’ izany fa tsy hita ary tsy nahenoana vaovao intsony ny sinoa naman’izy ireo, taorian’ ny nikatonan’ny trano fisakafoana, izay tantaniny, nanomboka ny alakamisy 11 septambra lasa teo. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana voalaza ny polisy sy ny sefo fokontany nijery ny zava-misy.
Voatery nanokatra ny tsena tamin’ny alalan’ny « soudure » ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana. Hita mihohoka eo ambony fandriana izy mianadahy. Efa vatana mangatsiaka. Tsy nisy aina in­tsony, efa namoaka fofona sy niha simba ny razana. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana taorian’ny fizahan’ny BMH.

Tsy hita popoka

Nanomboka nihidy sy tsy nisokatra intsony ilay trano fisakafoana azy mianadahy, ny alakamisy 11 septambra. Nihidy avy aty ivelany, nisy « cadenas » ny trano. Ankoa­tra izay, nisy petadrindrina nampahafantatra fa “congé annuel” teo amin’ny varava­ran’ny hotely.
« Mbola namafa trano sy ny teo ivelan’ny tsena ireo mpi­asa roa lahy miasa ao amin’io hotely io tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, ny alakamisy 11 septambra teo », hoy ny mpivarotra teny amin’ny ma­nodidina. Nikatona anefa ny tsena tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ary tena nahagaga azy ireo izany. Nanamafy koa ny mpivarotra teny amin’ny manodidina fa isaky ny talata rehefa tsy miasa ihany izy dahy vao mivoaka ivelan’ny tsena.
Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisim-pirenena.

Mino

Partager sur: