Taorian’ny tany Boeny, nahazo ny anjarany koa ireo fokontany iasan’ny tetikasa Ma Honko, ao anatin’ny kaominina any amin’ny faritra Sofia. Natolotra tao amin’ny biraon’ny Faritra, ny 13 septambra teo, ny jiro manazava ny tanàna, mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 90, ho an’ny kaominina 10, amin’ny distrika telo, Antsohihy (Ambodimandresy, Ambodimadiro, Ankerika, Antsohihy), Analalava (Analalava, Befotaka Avaratra, Ambarijeby Atsimo, Antonibe) ary Port Bergé (Tsiningia, Tsinjomitondraka). Nandray izany ny governoran’i Sofia, ny jeneraly Lylison René de Roland. Nambarany fa « zava-dehibe tokoa ity fanomezana jiro ity. Hitanay izao ny fomba fiasan’ny orinasa Bôndy, amin’ny alalan’ny tetikasa Ma Honko. Entaniko ny tomponandraiki-panjakana, indrindra ny ben’ny Tanàna, hiara-kiasa aminy ». Napetraka avy hatrany ny jiro manazava, toy ny tany amin’ny fokontany Antafiampatsa sy Ambalakida, ao Antsohihy. Nilaza i Lemanato, VOI any Ambalarano Avaratra, kaominina Ambodimandresy, fa « miverina tsikelikely ny hazandrano, ankehitriny, taorian’ny nanarenana ny ala honko». Mahatratra 500 ha ny ala honko efa narenina, nambolena zana-kazo mihoatra ny 3 tapitrisa.
Notsindrian’ny jeneraly Lylison René de Roland koa fa enjehin’ny lalàna ary azo sazina mafy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny ala honko. Angatahiko ny fiaraha-miasa misy kokoa amin’ny Bôndy, hametraka tomponandraikitra eny ifotony, hanome vaovao amin’ny fanjakana, raha misy ny fikapana hazo tsy ara-dalàna, honko, mankany Nosy Be sy any avaratry ny Nosy.
Njaka A.




