Fablab EnR-out: Toeram-panofanana hanamafisana ny tetezamita amin’ny angovo

Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny Fablab EnR-out, ivontoerana vaovao natokana hampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy hanomezana sehatra ny tanora manana tetikasa mifandraika amin’izany.

Mbola olana lehibe ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. 36 % ny tokantrano eto amin’ny Nosy no manana herinaratra, 7 % ny any ambanivohitra izay onenan’ny 70 % ny mponina, raha ny tarehimarika nivoaka. Manampy vahaolana vaovao ny tetikasa Fablab EnR-out. «Tsy toeram-panofanana fo­tsi­­ny, fa toerana ahafahan’ny ta­nora manao asa tanana, ma­­morona vahaolana ary mi­ditra mivantana amin’ny tsenan’ny asa ny Fablab EnR-out», hoy ny fanazavan’ny mpanorina ny tetikasa, Ravolatahiana Ca­deau Adjamie, raha nitafa ta­min’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ankorondrano. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fandaharanasa fanofanana sy fanaraha-maso ho an’ny vehivavy, mba hampitombo ny anjara toerany amin’ireo asa teknika mbola vitsy ireharehany. Ha­nomboka amin’ny angovo avy amin’ny masoandro ny tetikasa, miaraka amin’ny mpianatra avy amin’ny oniversite sy sekoly teknika isan-karazany (Oniversiten’Antananarivo, ESPA, IST-T ary Soavinan­driana). Tanjona ao anatin’ny telo taona ny hanofana teknisiana 600, ahitana vehivavy fa­rafahakeliny ny antsasany, hamokatra 50 «prototypes» momba ny vahaolana eo an-toerana, ary hanampy tanora 300 hiditra amin’ny sehatry ny asa. Maimaimpoana ny fiofanana rehetra, mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Ho ampahafantarina ny sa­botsy 20 septambra ho avy izao, eny amin’ny Tranombo­kim-pirenena Anosy, ny tetikasa amin’ny ankapobeny. Hisy ny fampahafantarana ny tranonkala ofisialy, atrikasa mom­ba ny asa mifandraika amin’ny angovo azo havaozina, fifampizarana traikefa miaraka
amin’ireo vehivavy injeniera sy mpandraharaha, fampirantiana fitaovana ary fisoratana anarana mivantana. Voafan­tina ho anisan’ny tetikasa telo eto Madagasikara mandray fa­nohanana avy amin’ny Impulsouth sy ny Fondation Avina, ny Fablab EnR-out.

Henintsoa

Partager sur: