Milay Contest 2025 – «Voiles »: Hotolorana vola 10 tapitrisa Ariary ny mpandresy

Hotanterahina eny amin’ny ranomasin’i Ramena, Diego, ny 4-5 oktobra 2025 ho avy izao, ny hetsika “Milay Con­test”, izay karakarain’ny Yas Madagascar sy ny Fede­ra­sionina ara-panatanjahanten’ny lakana an-
dranomasina, Sport Voiles. Araka ny nambaran’ireo mpikarakara teny Ambodivona, omaly, vola mi­tentina 10 tapitrisa Ariary no hatolotra ho an’ny izay voalohany amin’ny fifanintsanana familiana lakana Botry, raha toa ka 2 tapitrisa sy 5 hetsy Ariary kosa ho an’izay tompondaka amin’ny «kitsurfs».
Sambany teo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena no nikarakara hetsika tahaka izao ny Federasionina ary milaza izy ireo fa ny Malagasy ihany no afaka mandray anjara amin’ity. Mpandray anjara miisa 24 no andrasana amin’ny fifanintsanana Botry. 40 kosa ny Kitsurfs. Ankoatra ny resaka fanatanjahantena, misy ihany koa ny hetsika samihafa, toy ny «octobre rose », izay natokana tanteraka ho an’ny vehivavy. Tanjona amin’ity andiany voalohany ity, ny hampiakatra ny lentan’ny Malagasy mi­lalao ny lakana eny ambony ranomasina.

Fitia Randria

Partager sur: