Sabotsy Namehana : Tsaho ny filazana fa hani-masaka nahafaty olona

Niely ka nampiteraka savorovoro ho an’ny mpanara-baovao tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook ny tranga fisiana fahapoizinana ara-tsakafo nateraky ny fihinanana hani-masaka tao Sabotsy Namehana, omaly. “Tsy marina velively ny vaovao miely momba io tranga io”, raha ny fanazavana notaterin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina ao an-toerana. Tovolahy 21 taona namoy ny ainy, ny alahady 14 septambra lasa teo. Nandoa ra sy nitaraina ho narary tao amin’ny faritry ny vavoniny io lehilahy io. Nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Tetsy ankilany, nanamafy fa nivelona tamin’ny fivarotana hani-masaka nandritra ny roa taona, Randriaminonjatovo Miary, ilay mpivarotra voatondro molotra. Ny fianakavian’ny lasibatra izay nisafidy ny tsy hiteny manoloana io tranga io. “Tsy manana porofo rahateo izahay ahafahana milaza fa matin’ny fihinanana sakafo na inona io rahalahinay io”, hoy ny fanazavan-dRakotoma­monjy Paul. Tsiahivina, mirongatra zary lasa fitaovana fanapariahana tsaho sy lainga ny tambajotran-tserasera tato ho ato. Manakorontana sain’olona maro izay tsy manana fahafahana hanao fanamarinam-baovao izany. Ilaina rahateo ny fahafehezana ny fampiasana io tambajotran-tserasera io hisorohana ny tranga tahak’ity teny Sabotsy Namehana ity.

Tsiferana R.

Partager sur: