Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny mpanolana miisa telo. Monina eny Mendrikolovana, Alasora, izy ireo. Ampangaina ho nanolana zazavavikely telo. Ar 100 no nanambazana ireto lasibatra.
Notanana vonjimaika any amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy nanolan-jazavavy tsy ampy taona miisa telo, tao Mendrikolovana, kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly. Nanamparan’ireo olona ireo ny filan-dratsiny ireo zazavavy vao 6 taona miisa roa sy 7 taona iray. Nanatanteraka asa teo amin’ny manodidina ireo lehilahy ireo, araka ny fanazavan’ny zandarimaria lehiben’ny tobim-paritra Alasora. Milalao toy ny fanaony ireo zaza ary norebireben’ireo telo lahy. “Nadalainy haka voninkazo atao kilalao teny ambony teny ireo zaza. Nanamparany ny filan-dratsiny”, hoy ny zandary misahana ny famotorana. Nanampenam-bava ireo zazavavy ireo, nomen’ireo tsy valahara 100 Ar. Noraran’ireto farany tsy hitatitra amin’ny olon-dehibe ireo lasibatra. Tsikaritry ny anadahin’ny iray tamin’ireo zaza ny fihetsika mamoafady nataon’ireo telo lahy.
Nitory ny fianakaviana
Nitoroka tamin’ny ray aman-dreny tao an-tanàna ny anadahin’ny iray tamin’ireo zaza. Nikoropaka, nanao ny fanamarinana ny fahasalaman’ireo zaza teny anivon’ny mpitsabo ny fianakaviany. Voamarina, nandritra izany, fa nisy tokoa ny fikasihana ireo zaza ireo. Nametraka fitoriana ny havan’ny voaolana. Niroso tamin’ny fisamborana ireo voatonona anarana ny zandarimaria. Natao famotorana izy telo lahy izay tsy afa-nanda intsony taorian’ny zava-bitany. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka niafara amin’ny fihazonana am-ponja mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana. Ilaina hatrany ny manara-maso ireo zaza eny anivon’ny fiarahamonina satria tsy hay intsony ny ratsy amin’izao fotoana.
Tsiferana R.




