VAOVAO TAMBATRA

Namoaka ravim-bola vaovao 10 000 Ar sy 20 000 Ar ny Banky foiben’i Madagasikara. Mitovy endrika amin’ny vola efa nisy ihany izy ireo saingy ny mampiavaka azy dia ahitana kofehy fiarovana vaovao. Hita ilay kofehy rehefa atongilana, izay miendrika kofehy mitapatapaka miova loko maitso sy mena. Rehefa ahetsika miakatra sy midina indray ilay vola dia ahitana hazavana mifanohitra eo amin’ny faritra mena sy amin’ny faritra maitso. Hita amin’ilay kofehy ny sandan’ny vola 10 000 Ar na 20 000 Ar.

Araka ny fikarohana natao omaly, nanatanteraka fihaonana arakasa tamin’ny vondrona Eoro­peanina sy ny Tale jeneralin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena (INTPA), tany Bruxelles, Belgique, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), Max Andonirina Fontaine, ny 15 septambra lasa teo. Nasehon’ny Malagasy tamin’izany ny fanavaozana sy ny tetikasa ataon’i Madagasikara eo amin’ny lafiny toetr’andro, ny harena voajanahary ary ny fampiasam-bola maharitra.

Miezaka manao fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro manerana ny Nosy ny Mini­siteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Anisan’ireo nisitraka izany ny any amin’ny faritr’i Betsiboka. Raha ny vaovao voaray omaly, miisa 108 ireo olona tonga nisitraka ny fiofanana momba izany.

Partager sur: