Fadintseranana : Misy sanda manokana ho an’ny fiara sy fitaovana

Mampahatsiahy ny Fadin­tseranana malagasy fa misy ny fepetra manokana mifehy ny fanombanana ny sandan’ny fiarabe sy fitaovana afarana hanao asa manokana eto Madagasikara. Araka ny voalazan’ny taratasy ara-panja­kana sy ny lalàna manan-kery amin’izao fotoana, dia ny Sampandraharahan’ny sanda sy fiaviana na « Service de la valeur et des Origines » (SVO), eo anivon’ny Fadintse­ranana malagasy irery ihany no miandraikitra ny fanombanana ny sanda ara-ketran’ireo fitaovana ireo. Noho izany, tsy anisan’ny fehezin’ny Civio ataon’ny orinasa GasyNet ireo fitaovana ireo.
Marihina anefa fa mbola misy fikorontanana eo amin’ny famaritana ireo karazana fiara sy fitaovana ireo na dia mitovy amin’ny fiara tsotra eo amin’ny sandam-bidy (code tarifaire) aza. Misy manana toetoetra mifanandrify na mitovy amin’ ny fitaovana hafa ny sasany amin’izy ireo. Hamafisina fa ireo fiara sy fitaovana ireo dia milina natao hanampy na hanolo ny olona amin’ny asa mavesatra, toy ny fanaingana enta-mavesatra, ny fandavahana, ny fibatana vata, ny fitotoana, sns.
Tsy maintsy hajaina araka ny tokony ho izy ny fanasokajiana ireo fiara toy izany mba hisorohana ny tsy fitoviana amin’ny fanombanana ara-ketra. Raha sendra misy ny ahiahy, azo atao tsara ny mangataka fanazavana eny amin’ ny Sampandraharahan’ny sanda sy fiaviana (SVO).

Njaka A.

Partager sur: