Anisan’ireo faritra miantoka ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny faritra Atsinanana. Efa manomboka mametraka Drafi-pampandrosoana PRD 2025-2030 ireo mpiara-miombona antoka sy ny fanjakana.
Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny Drafitra fampandrosoana isam-paritra (PRD) 2025-2030, an’ny faritra Atsinanana. Hetsika izay iarahana amin’ireo mpanohana ara-teknika avy amin’ny fandaharanasa sy fampandrosoana eo anivon’ny Firenena mikambana, PNUD, ary tanterahina eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarinana ny tany (MFFT).
Tanjona amin’izany ny hampahafantatra ny votoatin’ ny PRD sy ny hampifanaraka ny fiaraha-miasa amin’ireo laharam-pahamehana stratejika napetraka. Hanamafisana ihany koa ny anjara birikin’ny tsirairay amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa maika ho an’ny faritra. Ny PRD 2025-2030 dia vokatry ny dingana niarahana namolavola tamin’ ireo mpisehatra rehetra manerana ny faritra. Kendrena amin’ ity drafitra ity ny hampiakarana ny tahan’ny tondro fampandrosoana maha olona (IDH) ho 0,088 sy hampihenana ny tahan’ny fahantrana hatrany amin’ny 10 % amin’ny taona 2030. Mitohy amin’ny PRD teo aloha (2020-2023) ity drafitra vaovao ity, ary mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana sy ny Tanjona maharitra ho an’ny Fampandrosoana (ODD).
« Mandroso miaraka ho an’ny taranaka »
Mifototra amin’ny fiaraha-mamolavola, fiaraha-mamatsy vola ary fiaraha-manatanteraka ny fomba fiasa, araka ny teny faneva hoe: « Mandroso miaraka ho an’ny taranaka ». Ankoatra ny PNUD, miara-misalahy amin’ity hetsika fampandrosoana ny faritra Atsinanana ity ny Region Normandie. Nilaza ny tomponandraikitra fa efa nisy foana ny fifandraisana mafonja teo amin’ izy ireo sy ny faritra Atsinanana. Nahitana fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny asa sosialy sy fampiroboroboana ny toekarena.
Fitia Randria




