Kamiao nifaoka moto: Mpianaka niara-maty, miady aina ny reniny

Nifatratra tamin’ny mpitondra moto ny kamiao iray tao Soamiandalana, kaominina Talata Volonondry, omaly hariva. Namoy ny ainy ny zaza iray anisan’ireo nitaingina moto.

Zazavavy vao roa taona monja maty tsy tra-drano nandritra ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Soamiandalana, kaominina Talata Volonondry, omaly ha­riva. Kamiao avy any Anka­zon­dandy nikasa hihazo ny Renivohitra ity tra-doza ity. “Nandeha mafy io kamiao io, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Nisy fiara nijanona tamin’ny sisin’arabe ka niala izany ilay kamiao”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny zandary miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Antanambao. Nanitsaka hisatra tampoka ilay mpamily kamiao rehefa na­hita ny moto nifanoha-dalana taminy kinanjo tsy nisy na inona na inona intsony. Nifa­tratra avy hatrany tamin’ny moto nitondra ireo telo mia­naka io fiarabe io. Namoy ny ainy teo no ho eo ilay zaza­vavy. Nentina namonjy ny ho­pitaly tao Anosiavaratra ireo ray aman-dreniny.

Tsy tana ny ainy

“Mafy ny voina nahazo azy ireo ka voatery nakarina anivon’ny hopitaly HJRA ireo olon-dehibe roa voa mafy ireo”, hoy ny fanamafisan’ny zandary misahana ny famotorana. Nanao sarotra ny fanavotana ireo niharan-doza tamin’ity tranga ity noho ireo mpitaingina moto tena voa mafy. Tsy nahatsiaro tena ta­min’ny fotoan’ny loza ilay ra­matoa. Tetsy ankilany, “nahare feo koa izahay fa tsy tana ny ain’ilay raim-pianakaviana nitondra ny moto, io hariva io”, araka ny fanamafisan’ny kaomadin’ny zana-tobim-paritra Antanambao. Anatin’ny fitsaboana lalina ilay vehivavy. Nentina natao andrimaso eny anivon’ny tobim-paritry ny zan­­darimaria ao Sabotsy Name­hana ny mpamilin’ilay kamiao.

Tsiferana R.

Partager sur: