Antohomadinika : Lehilahy iray hita faty nisy namono tao an-tranony

Tovolahy iray 21 taona, hita faty tao an-trano fonenany, tetsy Antohomadinika III G Hangar, afakomaly atoandro tamin’ny 2 ora sy sasany. Vatana mangatsiaka efa niha simba sy namoaka fofona no novantanin’ny dadany. Nahitana mangana ny lohany, nivoaka ra ny sofiny sy ny vavany.

“Avy any ambanivohitr’i Faratsiho aho ary ni­gadona teo akaikin’ny tranoko ny alarobia tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro. Naheno fofona hafahafa avy ao an-trano, nefa ny trano nihidy avy any anatiny”, hoy ny fitantaran’ny rainy. Rehefa nojerena, nisokatra ny varavarankelin’ny trano. Tsy voavaha ny trano ary niditra teo amin’ilay varavarankely nisokatra izy. “Ny zanako efa nivalampatra teo ambony fandriana no hitako. Efa nanaraka ny tanako ny hodiny, nivoaka ra ny vavany, ny sofiny ary mangana ny lohany”, hoy ihany izy. Vono olona niniana natao no nitranga ary maty novelesina tamin’ny vatan-kazo ny nahafaty ity tovolahy ity, raha ny fanazavana. Tsy nisy zavatra very tao an-trano tamin’io fotoana io. Mbola tao avokoa ireo finday roa nampiasainy, ny vary tamin’ny gony natao vatsy ary ny entana rehetra. Nampandrenesina ny Vaomi­eran’ny filaminana sy ny polisy avy ao Antaniavo. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy izy ireo taorian’ny antso. Naka ny razana sy ni­tondra izany teny anivon’ny tranom-paty HJRA Ampefilo­ha kosa ny avy amin’ny BMH.

Tsy tratra antso nanomboka ny 13 septambra teo
Nandeha nankany Amba­to­fotsy Faratsiho nikarakara fiompiana sy nivarotra vokatra ny ray aman-dreniny sy ny anabavin’ity tovolahy ity, tao anatin’ny roa herindrano ma­hery. Nijano­na niandry trano tao Antoho­ma­dinika io tovolahy maty io. Nifampiantso tamin’ny finday foana nandritra izay fotoana izay. “Tsy azo antso intsony anefa izy na­nomboka ny sabotsy 13 septambra lasa teo”, hoy hatrany ny rainy. Heverina ho ny zoma 12 septambra alina ny nahafaty azy. Manoloana ny tranga, efa misy ny olona ahiahin’ny fianakaviana tamin’ny famonoana ity tovolahy ity. Hame­traka fitoriana eny anivon’ny polisim-pirenena izy ireo rehefa vita ny fandevenana.

Mino

Partager sur: