Fitantanana ny ACM : Tsy mbola voatendry ny tale jeneraly vaovao

Araka ny fikarohana natao omaly, tsy mbola tazana tao anaty tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny fanendrena izay ho tale jeneralin’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara (ACM). Marihina fa efa namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikà (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny ACM, mahakasika ity raharaha ity. Raha tsiahivina, manao fangatahana amin’ny andrimpanjakana izy ireo ny mba haha olo-mendrika izay hitantana sy hiandraikitra ny toeran’ny tale jeneralin’ny ACM. Tsy mbola nivaly, araka izany, ny fangatahan’izy ireo, ary tsy mbola voatendry ihany koa ny hanolo ny toeran’ny kolonely Gervais Damasy, izay voaroiroy tamin’ilay afera “Boing 777”, voaondrana any Iran.
Andrasana indray, araka izany, ny olom-baovao hitondra sy hitantana ity sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara ity.

Fitia Randria

Partager sur: