VAOVAO TAMBATRA

Hisy tetikasa hanodinana fako 800 t/andro ho lasa angovo eto Antananarivo. Hamokatra herinaratra 13 MW izany foibe izany hamatsiana ny Renivohitra sy ny manodidina. Efa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2025 ny fanatanterahana ity tetikasan’ny Filoham-pirenena ity. Hivoaka tsy ho ela ny fandefasana ny antso tolobidy ho an’izay orinasa hanatanteraka azy

Handray anjara amin’ny Fivoriamben’ny Comesa, hatao ny 9 oktobra ho avy izao, any Nairobi Kenya, i Madagasikara. Hitarika ny delegasionina malagasy ny filoha Rajoelina Andry. Hatao ny 8 oktobra ny fivoriamben’ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Mialoha izany, hivory ny 7 oktobra kosa ny mpandraharaha ara-toekarena, hampiroboroboana ny fampiasam-bola ao amin’ity vondrom-pirenena ity.

Hatao any Washington D.C Etazonia, ny fivoriambe isan-taona, eo amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny 13-18 oktobra ho avy izao. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, ahitana ny solontenam-panjakana sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena. Ho jerena amin’ireo fotoana ireo ny fiaraha-miasantsika amin’ny FMI sy ny BM.

Partager sur: