Vono olona teny Antanety : Tompon’antoka ny havan’ilay lehilahy maty

Olona miisa fito niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona nosamborin’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ampa­notokana, distrikan’Ambohi­dra­tri­mo, afakomaly. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Ambohitriman­jaka, ny 26 aogositra lasa teo. Vehivavy ny telo tamin’ireo voasambotra ary misy rohim-pihavanana tamin’ilay lehilahy novonoina. Nisy disadisam-pianakaviana teo amin’io lehilahy niharan’ny vonoan’olona io sy ireo telo mirahavavy ireo. Tsy nahatsindry fo, nanakarama olona namono an’io havany io ireo telo vavy. Nanome ny vola sy ny ody ratsy fampatoriana nandritra ny habibiana rahateo izy ireo. Raha tsiahivina, notafihin’ny jiolahy ny tokantrano iray tao amin’ny fo­kontany Antsahafohy, kaominina Ambanivohitra Ambo­hi­trimanjaka, distrikan’Ambo­hi­dra­trimo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 26 aogositra ta­min’ny 11 ora teo. Namoy ny ainy rehefa novelesin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny vatan-kazo ny raim-pianakaviana iray 46 taona, tompon-trano. Nivoa-dra ny vavany, ny sofiny, ny orony, mangana ihany koa ny tendany. Naratra ny tra­­tran’ny ramatoa vadiny. La­san’ ireo olon-dratsy, tamin’izany, ny vola mitentina 1 500 000 Ari­ary sy ny finday iray, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny havan’ny maty. Niroso tamin’ ny fanadihadiana ny zandarimaria ka tratra tao Ampanoto­kana ireo nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: